Fitaovam-panjonoana: mampidi-doza ny fampiasana lay misy odimoka

Nanao fanentanana ny mi­ni­sitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Tsima­na­orate Paubert, amin’ny tsy tokony hampiasana lay misy odimoka amin’ny resaka fanjonoana.
Ny lay misy odimoka dia ahitana karazam-panafody 452 isa izay nomena alalana ho ampiasaina anatin’ireny lay ireny. Anisan’izany ny deltamethrine sy ny alpha-cyperméthrine, izay fanafody tsy tsara amin’ny fahasalamana raha hohanina ka tonga any anaty vatan’ny olombelona amin’ny alalan’ny sakafo.
Mety hiteraka aretina maro izany ka tena saro-pady tanteraka ny fampiasana azy ireny amin’ny fitaovam-panjonoana.
Anisan’ny betsaka mampiasa ny lay rehefa manjono ny any Boeny, Sofia, Diana, Analanjirofo, Atsinanana izay mampiasa ny tarkaky na ramkoko na draoto manamorona ny ranomasina.
Manaraka ny sisin-dranomasina misakafo ny trondro rehefa mbola kely, satria eny no misy sakafo madinika. Mety hita eny amin’ny ala honko na ny lomotra izy ireo… Io faritra io anefa no ampiasan’ny sasany ny lay misy odimoka. Fefika amin’ireny ny zana-trondro sy ny atodin-trondro ka lasa manimba zavatra betsaka. Simbain’ ireny lay ireny ny toerana itomboan’ny trondro.

Tatiana A

Partager sur: