Maty voatifitry ny zandary ny dahalo efa-dahy tompon’antoka tamin’ny halatra omby tao amin’ny tanànan’ Iharandramosa, fokontany Mahatsinjo, kaominina Antanambao, distrikan’Antsirabe II, faritra Vakinankaratra, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa miserana ao amin’io kaominina io ireo dahalo mpampihorohoro sy mpagalatra omby ireo. Niara-nihetsika ny zandary miasa ao Soanindrariny sy ny ao amin’ny zana-tobim-paritra Tsarahonenana Sahanivotry. Nanao ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana, fantatra fa nisitrika tao amin’ny vondron’ala ao Iharandramosa ireo olon-dratsy voatonona. Nitifitra ny mpitandro filaminana anefa izy ireo, raha vantany vao nahita ny zandary. Namaly sy niaro tena ireto farany. Vokany, lavon’ny bala ny roa lahy tamin’ireo mpangalatra. Anisan’ireo maty i Lemonjy, raindahiny amin’ny halatra omby. Ankoatra ireo, namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy koa ny roa lahy mpiaraka manao asa ratsy taminy. Tafakatra enina, araka izany, ireo voatifitra. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo dahalo tafatsoaka. Manao ny ezaka rehetra hampadriana fahalemana ny faritra iadidiany ny mpitandro filaminanana ao an-toerana.
Tsiferana R.