Impulse 2024 : paikadin’ny MNP mandritra ny 5 taona

Nampahafantarina omaly, ny Paikadin’ny Madagascar National Parks (MNP) ato anatin’ny dimy taona ho avy (2024-2028). Antsoina hoe Impulse 2024, fiarahantsika ho an’ny valan-javaboahary ity paikady ity. Miahy ny MNP ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Efa fanao isan-taona, nanomboka ny taona 2019 ny fivoriana iarahana amin’ireo mpiara-miombon’ antoka amin’ny MNP rehetra. Tanjona ny hampitoviana ny fijery sy ny vina ary ny fampandrosoana ny mponina manodidina ny valan-javaboahary. Tsiahivina fa miisa 43 ny valan-javaboahary tantanin’ny MNP.
Tafiditra ao anatin’ny paikady 2024-2028 an’ny MNP ny hanatsarana ny lanjan’ny tontolo mananaina, ny fiarovana ny rohy voahary ary indrindra ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina manodidina ny valan-javaboahary. Eo koa ny famatsiam-bola maharitra, ny fanatsarana ny fitantanana ary ny fampahafantarana ny MNP eny ifotony, eto amin’ny firenena ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Nambaran’ny tale jeneraly (DG), Rakotoarisoa Ony, fa «tena ilaina ity paikady mandritra ny dimy taona ity mba hitondra fampandrosoana ma­haritra ny fiarovana ny harena voajanahary. Tsy tanteraka izany raha tsy eo ny tohana iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny ezaky ny mpiasan’ny MNP. Azonay antoka fa ho tratra ny tanjona apetraka».

Njaka A.

Partager sur: