Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ao Amboatavo, koaminina Itaosy, ny alin’ny alakamisy teo. Miandry mpandalo mody hariva io mpanendaka io ka miafina misitrika any anelakela-pasana. Tsy maraina tsy alina, manao io asa ratsiny io hatrany ity olon-dratsy ity. Nanao fisafoana tampoka manoloana io tranga fanendahana misy ao an-toerana io ny polisy. Hita niafina tao amin’ny faritry ny fasana i Guista. Niezaka nisitrika ny mpitandro filaminana, tsy afa-nitsoaka intsony ka tratra. Namoaka antsy anefa io mpanendaka io. Nokendreny ho trobarana tamin’ilay antsy ny polisy hisambotra azy. Niaro tena ireo polisy ka maty voatifitra io lehilahy io.
Mpamaky trano
Ankoatra ny fanendahana, efa ikoizana amin’ny vaky trano eny amin’ny manodidina ny fokontany Amboatavo ity lavon’ny polisy ity. Roa volana lasa, efa naharay fitarainana mahakasika azy ny polisy ka nanomboka nikaroka. Nisitri-belona hatrany anefa i Guista sady nanohy ny asa ratsiny ihany. Nahatrarana gony nisy entana fampiasany rehefa manao ny fanendahana sy ny vaky trano teny aminy nandritra ny fotoana nahavoatifitra azy.
Tsiferana R.