Pety Rakotoniaina : manamafy ny fisian’ny vondrona parlemantera tsy miankina

“Tsy maintsy hisy ny fijoroan’ny vondrona parlemantera tsy miankina, saingy miandry ny fivoriana manokana amin’ny talata ho avy izao izahay”, hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Ikalama­vony, Rakotoniaina Pety. Mi­ara-miasa amin’ny fi­tondrana kosa anefa izy ireo, ho fikatsahana ny tena fampandrosoana ny faritra nahalany azy ireo tsirairay avy. “Ny tombontsoan’ny vahoaka nifidy anay no lohalaharana. Mazava ny safidin’ny mponina, matoa nifidy tsy miankina”, hoy hatrany izy.
“Araka ny efa nambaranay tamin’ny fihaonana ta­min’ny mpanao gazety, tsy hiara-dalana velively amin’ny mpanohitra izahay. Tsy hoe mpanohana fitondrana ihany koa fa vonona ny hifanampy amin’izy ireo. Hiara-miasa ho mpitondra toro-hevitra izahay. Hitondra fanitxsiana ihany koa raha ilaina aza satria izay ilay hoe fifanampiana”, hoy hatrany izy.
Tsiahivina fa nisy 45 amin’ny 51 ireo depiote nilaza ny fiaraha-miasa amin’ny fitondrana.
Hiteraka fifandanjan-kery eo anivon’ny Antenimieram­pirenena, araka izany, ny fi­sian’ny vondrona parlemantera tsy miankina. Ho taratry ny maha Lapan’ny demokrasia azy amin’izay ny eny Tsim­­bazaza, manomboka amin’ny talata ho avy izao.

Lin

Partager sur: