Rovan’i Madagasikara : mitombo ny fampahalalana an-dRanavalona III

Anisan’ny zava-dehibe sy tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny taranaka ny fahafantarana ny tantarany. Tokony ho hataon’ny tomponandraikitra lohalaharana ihany koa ny fampahafantarana izany.

Notanterahina omaly, te­ny amin’ny Rovan’i Ma­da­gasikara, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny efitrano fampirantiana entina mampahafantatra misimisy kokoa ny mpanjaka Ranava­lona III. Niatrika izany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina mpisolo toerana, Rasata Rafaravavitafika, sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny minisitera sy ny avy amin’ny fitantanana ny Rovan’i Madagasikara ary ny avy amin’ny  Fonds Yavar­hous­sen. Ankoatra ireo fitaovana nampiasaina sy sary ary taratasin’ny mpanjaka, miranty ao ihany koa ny sary maro samihafa, izay anisan’ny fananan’ny Rova sisa tsy may. Tan­jona amin’ny hetsika ny fanandratana hatrany ireo vakoka mba ho tombontsoan’ny taranaka aty aoriana.

Fonds Yavarhoussen
Anisan’ny antom-pisiana sy fototra ijoroan’ny Fonds Yavarhoussen ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny vakoka sahala amin’izao. Mitohy hatrany ny fanatsarana sy fampitomboana ireo zavatra azo tsidihina eny amin’ny Rovan’i Madagasikara. Raha tsiahivina, natokana hampirantiana sy hampahafantarana ny mahakasika ny mpanjaka Ranavalona III ny rihana faharoan’ny Rova. Nisy, araka izany, ny fanokafana efitrano vaovao ao amin’ity rihana ity, ahitana ny sarin’ny mpanjaka Ranavalona III, nandritra ny nanaovana sesitany azy tany Algerie, ny taona 1899.
Fifanarahana avy amin’ny Fonds Yavarhoussen, nanolotra ireo sarin’ny mpanjaka Ranavalona III, no nahafahana nanatanteraka ny hetsika. Haranty ao amin’ny efitrano mandritra ny herintaona izy ity. Voafetra ny ahitana ireo sary sy taratasy ary fitaovana eny amin’ny Rovan’i Madaga­si­ka­ra ireo. Ankoatra izay, ahitana sary maro, avy amin’ny Beaux Arts ihany koa mandravaka izany rihana izany. Miisa 20 izy ireo, ahitana sary hosodoko vita amin’ny lokorano sy ny karazany maro isan-karazany.

Lin

Partager sur: