Notanterahina nanomboka ny alakamisy teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fampiofanana ireo ankizy, vavy sy lahy, taranja karaté. Tanjon’ny Federasiona malagasin’ny Karate Do ny hampivoatra ireo zaza ireo amin’ity taranja ity. Tsiahivina fa haharitra efatr’andro ny fiofanana.
Afaka andro vitsy, hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny taranja Handball, indray i Madagasikara. Miisa enina ireo klioba handray anjara mandritra ity fifanintsanana ity. Marihina moa fa hanomboka ny 9 hatramin’ny 16 jolay ho avy izao, eto Antananarivo, izany.
Hotontosaina ny 6 hatramin’ny 10 jolay ho avy izao ny fifaninanana nasionaly ho an’ny tanora zazalahy latsaky ny 20 taona. Toerana miisa fito eto Madagasikara no handray lalao amin’izany. Anisan’izany ny any Mahajanga, Antalaha, Toliara, Manakara, Toamasina, Antananarivo ary Antsirabe.
Hifarana anio ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Euro 2024”, taranja baolina kitra. Hisy lalao roa handeha, anisan’izany ny fihaonan’i Suisse sy i Angleterre ary ny fifanandrinana eo amin’i Turquie sy i Pays Bas. Tsiahivina fa notontosaina omaly ny lalaon’i France sy Portugal ary ny an’i Espagne sy i Allemagne, mpampiantrano.