Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianja Elgeco Plus By-pass, ny famaranana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara. Hiady izany ny Elgeco Plus Analamanga sy ny CFFA Andoharanofotsy. Mialoha izany anefa, miantso ny tomponandraikitry ny fifaninanana eo anivon’ny Federasiona malagasy, FMF, ny filohan’ny klioba CFFA, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, omaly, mba hanome fanazavana raha toa ka azon’izy ireo ny amboara.
Notsiahiviny ihany fa tokony hisy ny “Super Coupe” raha toa ka tsy ny Elgeco Plus no mandresy, ny alahady ho avy izao. Marihina fa natao hahalalana izay handeha ho any Afrika, ny “Super Coupe”, ary ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany sy ny CFFA ihany no hiatrika izany. Etsy ankilany anefa, ny Caf dia mametraka fa tokony halefa ny 7 jolay ho avy izao ny anaran’izay ho solontenan’i Madagasikara, any amin’ny CCaf.
Mangataka ny tomponandraikitra ny lehiben’ny CFFA mba hanome valinteny mahakasika izany, mialoha io famaranana io.“Tsy mety raha hotendrena alohan’ny famaranana foana ny klioba mankany Afrika”, hoy ihany i Tôta. Nomarihin’ity lehiben’ny klioba ity fa tsy olana avy amin’izy ireo ny fihemoran’ny fifanintsanana. Tsy misy ny “Super Coupe” raha azon’ny Elgeco Plus ny amboara.
Fitia Randria