Nankalazaina omaly, tetsy Faravohitra, ny andiany fahatelo amin’ny Andro manokana ho fampahafantarana ny olona manana toetena varira eto Madagasikara
«Mbola marisarisa ny fahafantaran’ny olona ny toetena varira eto amin’ny Nosy. Fotoana nifampizarana sy nampahafantarana amin’ny ireo tonga nanatrika ny olona manana toetena varira izy io», hoy ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Soja Fulgence, nandritra ny hetsika teny an-toerana. Mbola iharan’ny fanilikilihana eny amin’ny fiarahamonina ihany koa izy ireo noho ny tsy fahafantarana ny toetena varira. “Na dia izany aza, efa manomboka tafiditra tsikelikely sy raisin’ny olona izy ireo hatramin’ny nijoroan’ny fikambanana, nandritra ny roa taona izay”, hoy hatrany izy. Manodidina ny 20 % ny vahoaka Malagasy no mahafantatra ny olona manana toetena varira, ankehitriny.
Ankoatra izay, miantso ny handinihina sy handaniana ny volavolan-dalàna naroso eny anivon’ny parlemanta ihany koa izy ireo. Efa nanitsy ny andinin-dalàna kosa izy ireo taorian’ny fandinihan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izany. Mifandraika amin’ny tanjon’ny fikambanana ny volavolan-dalàna mba hahafahan’ny olona varira misitraka fahasalamana sy fanabeazana ary fiarovana. Anisan’ny notsindrin’izy ireo ny hampiharana ny sazy ho an’ireo olona tratra manao tsy fandriampahalamena eo amin’ny olona manana toetena varira. Ezaky ny fikambanana ny ady amin’ny fanilikilihana mianjady amin’izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina.Tanjona ny hialana amin’ny tsaho miparitaka eny anivon’ny fiarahamonina, mitarika olana maro ho azy ireo.
Nihena ny trangana fakana an-keriny
“Vokatra tsara azo tsapain-tanana amin’ny fijoroan’ny fikambanana varira teto amin’ny Nosy ny fihenan’ny trangana fakana an-keriny teo amin’izy ireo”, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Sajo Fulgence. Mbola miaina tanteraka ao anatin’ny tsy fandriampahalemana ihany anefa izy ireo na dia izany aza. Nahitana fihenana ny trangana fakana an-keriny, ho an’ireo olona manana toetena varira eto amin’ny Nosy, tamin’ity taona ity, raha oharina tamin’ny taon-dasa. 10 ireo varira nisy naka an-keriny, 3 kosa nisy namono, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny fikambanana.
Mino
.