Andro vitsy sisa no andrasana dia hivoaka ny mpikambana amin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Toraka izany ny governemanta sy ny ho praiminisitra. Efa somebiseby tsy misy ohatra izany ny mpanao politika, indrindra ry tia seza. Misy ny matoky tena diso tafahoatra ka mamitaka ny ekipa. Mizahozaho ho maro anisa, mitady hanao rapadango.
Tsy fotoan’ny hatendan-kanina anefa izao fa fotoan’ny fifampizarana ny anjara-masoandro ho an’izay mahafeno fepetra. Tsy afaka ny higeja fahefana manokana izany intsony ny antokon’ny fitondrana. Mila fivelarana izany noho ny tombontsoan’ny firenena, andaniny, sy ny ho fahamarinan-toerany, ankilany.
Tsy maintsy milalao ny fisokafana mba hisian’ny fototra mafy orina kokoa ny fitondrana. Tsy afaka ny hanao ampihimamba ny fitantanana intsony satria ny vahoaka mihitsy no nametraka ny safidiny. Tsy afaka ny hiziriziry na iza na iza miloko volomboasary. Tsy maintsy miditra amin’ny fifanoloran-tanana.
Mila manetry tena koa tsy hanao be am-bosika. Ilay hanahaka an-drafotsy be kendam-bomanga ka ho fatin’ny asesiky ny tanany no tsy laitra. Efa iaraha-mahita rahateo fa misy ny mpiandry vodilaharana, mpiaro ilay fitondrana toa efa ailikilika an-kolaka. Ireo miady sy tena manohana, natakalo ireto tsara resaka, nanao fiavin’ny tafara.
Tsy tokony hadinon’ny mpanao politika nahazo seza anefa fa tsy ireo tsipahina am-bavafo no tena lasibatry ny tsy fitiavan’ ny vahoaka fa ry zareo tiatia kely ao an-dapa. Mila mandini-tena lalina ny mpitondra, tsy hijabaka anatin’ny tombontsoan’ olom-bitsy intsony. Ny fiaraha-mientan’ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena no antoky ny fahombiazana.
Mitaky firaisankinan’ny tsy mitovy hevitra ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
r.r