Vonoan’olona noho ny ady tany : eni-mianaka migadra mandra-pahafaty

Notsaraina tao amin’ny Lapan’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina, afakomaly, ny raharaha vonoan’olona nitranga tao amin’ny fokontany Namahoaka, kaominina ambanivohitr’i Vohitranivona, distrikan’i Brickaville. Fianakaviana iray eni-mianaka voaheloka mandra-pahafaty…

Niakatra fitsarana tao amin’ny Fitsarana misahana ny ady heloka bevava ny raharaha vonoan’olona tao amin’ny fokontany Namahoaka Vohitranivo, distrikan’i Brickaville, ny 29 jona 2021, araka ny antontan-taratasin’ady laharana faha-95-Toa/24-RP/21. Naharitra adiny dimy ny fifandaharana teo amin’ny voampanga miisa sivy mianaka sy ny fianakaviana iray. Taorian’ny fifandaharana, tsy nitsitsy ny Fitsarana ambony namoaka fa nomelohina hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty ry Bao­main­ty sy ny namany. Raha hiverenana ity raharaha ity, taorian’ ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona 2021, tao amin’ity tanàna ity, nikarakara fandihizana ny raim-pianakaviana iray, ny 29 jona, mba hanohizana ny fety. Raikitra, araka izany, ny fety sy ny fisotroana nandritra ny lanonana. Tao­rian’izay, tonga ny fianakaviana somary nanao rodombe ka nanakorontana ny fety.
Lonilony tamina ady tany…
Noravan’izy ireo ny trano nisy ny lanonana ka niafara tamin’ny daroka izany. Nan­do­sitra ireo nahavanon-doza ka nifanenjehan’ny fianakaviana. Tratran’izy ireo teo amoron-drano tsy lavitra ny lalam-pirenena faharoa, araka ny fijoroana vavolombelona nandritra ny famakiana ny taratasin’ady tao amin’ny fotoam-pitsarana. Nambaran’ny vavolombelona fa tsy fitsaram-bahoaka no nitranga satria tsy ny fokonolona no nahavanon-doza fa ry zareo samy fianakaviana iray avy any Vangaindrano no nifamono. Noho ny ady tany mirefy 14 ha no nitarika ny fifamonoana teo amin’ireto mpianakavy ireto. Vokany, nilatsaka ny sazy ka nahavoaheloka higadra mandra-pahafaty ireo voampanga eni-mianaka.

Sajo

 

Partager sur: