Notokanana ny sabotsy 6 jolay teo ny tobim-pamokarana avy amin’ny masoandro any amin’ny kaominina Anosibe Ifanja, distrika Miarinarivo. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo sy ny orinasa WeLight Madagascar, ao anatin’ny fiaraha-miasa 3P. Manana tanjaka 33 KC ity fotodrafitrasa ity, ampiasana bateria 82 Wh. Miasa mamatsy herinaratra tontolo andro sy alina ho an’ny tokantrano miisa 500, mahasahana olona 5 128. Miisa 155 ny vohitra sy fokontany misitraka izany. Araka ny fanadihadiana, mampiasa herinaratra ny 30% ny tokantrano, miampy ny mpampiasa masinin-kazo, fitotoam-bary, fitaovam-pamokarana samihafa.
Ankoatra izany, nilaza ny tale jeneralin’ny WeLight Madagascar, Romain De Villeneuve, fa hanorina tranomboky any Anosibe Ifanja, hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, ka nanolorana fitaovana informatika (ordinatera, imprimantes, …). Eo koa ny hampidirana rano fisotro madio sy herinaratra ho an’ny tobim-pitsaboana (CSB) ho an’ny fokontany Anosibe Ifanja. Hitarina any amin’ny fokontany manodidina hafa koa izany.
Njaka A.