DAKA AN-JORONY : Tonga tsy re gadona, lasa tsy re tsaika

Mampiteny ny moana ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra amin’izao fotoana izao. Mifamahofahobe ny zava-misy, misavoritaka ambony ambany. Efa hatramin’izay, ny vaovao eo anivon’ny Federasiona malagasy (FMF) no tonga tsy re gadona, lasa tsy re tsaika. Honohono avokoa ny vaovao heno fa tsy misy ofisialy. Hany ka misalasala toy ny mpivarotra sendra jamba nividy fitaratra ny rehetra.
Tsy misy sahy mandray andraikitra manoloana ireo vaovao miparitaka, re etsy sy eroa, fa miandry ny lehibe. Ny lehibe anefa tonga tsy re gadona, lasa tsy re tsaika. Dia sanganehina eo ny mpitia ity taranja mpanjakan’ny fanatanjahantena ity. Be koa ny mpifanandrina amin’ny mpitantana amin’izao fotoana izao. Ao ireo manao toy ny mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no velesina. Tsy manao afa-tsy ny manipy hoditra akondro, ka raha tsy mitandrina mianjera. Ny ety ivelany, tsy lazaina intsony fa tsy voaisa toy ny fasika. Miandry kendry tohina amin’ny zavatra diso. Tonga tsy re gadona izy ireo ary lasa tsy re tsaika.
Matoa hono ny mpanjaka ela fanapahana eo amin’ny fanjakana, manana mpanolotsaina hendry izy. Na izany aza, raha maro loatra izy ireny mampibolisatra. Ny zavatra hita eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra, tsy hay intsony izay mpanolotsaina sy mpanolo-bato mafana fa toa mitangorona eo am-pototry ny mpitantana avokoa. Tsy voaavaka izy ireo ka tonga tsy re gadona, lasa tsy re tsaika.
Tsy hay intsony na mihaino ihany koa ny mpitantana na manao be marenina, na mihaino ihany fa mihaino vilana. Hany ka tonga tsy re gadona, lasa tsy re tsaika ny tranga rehetra eo anivon’ny federasiona. Ankoholahy miady am-pasika io ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka.

Tompondaka

Partager sur: