Fakiolten’ny Siansa : nankasitrahana ireo nahavita be

Nofaranana ny faran’ny herinandro teo ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ny fakiolten’ny Siansa ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Notolorana mari-boninahitra ireo mpampianatra sy mpandraharaha 144 nahavita be teo anivon’ny fakiolte ka sivy amin’ izy ireo nahazo ny «Grand-Croix de 2ème classe de l’ordre national», 70 ireo notolorana ny «Grand officier de l’ordre national», 21 nomena ny «Commandeur de l’ordre national malagasy», 18 ny  Officier de l’ordre national malagasy » ary 26 ny  «Chevalier de l’ordre national malagasy».
Mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena ny asa fikarohana izay imasoan’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Antony iray hanomanana dieny izao ireo ainga vao entina miatrika ny 60 taona manaraka toy ny fanomanana sahady ireo fanavaozana fotodrafitrasa hanaraka ny fenitra kokoa.
Nampiavaka ny faha-60 taona ny fitokanana fotodrafitrasa toy ny Jardin connecté, izay ahafahan’ny mpianatra manao fikarohana, ny fametrahana ny vatofototra hananganana efitrano miisa 18.

Tatiana A

Partager sur: