FANTINA sy FINTINA

«Firaisamben’ny mpanohitra ho an’ny
firenena izao mitsangana izao mba hiray hevitra fa an’ny Malagasy i Madagasikara», hoy ny avy amin’ny HVM, Rakotovao Rivo, nanatrika ny faha-22 taon’ny Tim teny Tanjombato, ny sabotsy teo. Nambaran’ny mpanorina ny Tim kosa fa nandray baiko avy amin’ny mpitondra ny HCC. «Tsy nitsara araka ny fahamarinana izy ireo», hoy izy.
Nambaran’ny depiote Gascar Fenosoa fa tsy miara-dalana amin’ireo tsy miankina miisa 45 ny tenany. “Teny tokana no atolotro anareo vahoakan’ Antananarivo. Misaotra nampindrana fahefana. Tsy hivadika amin’ny teny nomena isika. Sahy sy mahitsy ary mihaino ny feon’ny vahoaka», hoy izy.
Notontosaina ny 03 jolay lasa teo ny fitokanana ny Birao ifoton’ny fananan-tany (Bif) vaovao sy ny fizarana karatany ao amin’ny kaominina Alarobia Vatosola, distrikan’Andramasina.Tafiditra amin’ny famahana olana ny tontolon’ny fananan-tany izao hetsika tanterahan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany izao.
Efa nanampy ireo seza ao amin’ny Lapan’
i Tsimbazaza ny eo anivon’ny fiadidiana ny Antenimierampirenena, araka ny nambaran’ny sekretera jeneraly, Randriamahafanjary Calvin. «Miisa 151 ireo depiote teo aloha saingy efa 163 izany izao ka tsy maintsy harindra hifanaraka amin’izany ireo toerana ety amin’ny Lapan’i Tsimbazaza», hoy izy.

Partager sur: