Mirongatra ny hala-boty any ambanivohitra tato ho ato; an-drenivohitra, tsy mety ho fongotra ny harom-paosy sy fanendahana. Zavatra na vola tsy inona akory amin’izany, mety hitondrana faharatrana sy hamoizana aina. Fahantrana no antony fototra. Miara-dalana amin’izany ny tsy fisian’asa, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fahitana mazava izay atao… Mahantra hatramin’ny saina? Dia misy alaim-panahy amin’ny fahazoam-bola tsotra sy mivantana: mangataka, mangalatra… Tsy takona afenina, misy tonga amin’ny fisolokiana, fanambakana, fisandohana…
Endriky ny fahapotehan’ny fiarahamonina avokoa izany rehetra izany. Karazana vongana kely mankamin’ny vongana lehibe, sanatria. Misy, ohatra, ny fangalaran’ny olon-dratsy izay azony alaina amin’ny fotodrafitrasa etsy sy eroa: jiro, arofanina amin’ny tetezana… Eo ihany ny fahantrana, fa tsy mahafa-bela ny sasany koa ny lonilony anaty amin’ny mpitondra fanjakana, raha ny fijerin’ny mpandinika sasany. Tsy voatery ho lonilony politika izay, fa ny amin’ny hoe: tena misy ve, ohatra, ny fijerena azy ireo? Hany ka lasa ankasomparana sy fanimban-javatra no vokany.
Sanatria, tsy manome rariny ny olon-dratsy, fa ny fifandraisana eo amin’ny vahoaka sy ny tomponandraiki-panjakana isan-tsehatra sy isan’ambaratonga no… Aoka re e! Hatraiza marina, ohatra, ny fifampitokisana? Miara-dalana amin’izany ny fananana fanantenana ny hoavy, ny fanatanterahana izay nifanarahana… Mitaky asa haingana sy mivaingana ny vahoaka? Mby amin’ny hoe azo refesina, misy fiantraikany mivantana. Efa mahatsapa fihatsaram-piainana ahay ve ny vahoaka? Mba tsy mora hirona amin’ny asa ratsy, fa tena marefo. Hatramin’ny saina? Mba atao ho zava-dehibe ny fampandraisana anjara amin’ny fampandrosoana…
R. Nd.