Ikala : niverina tamin’ny fitiavany…

Tian’izy ireo ny mozika rock. Tiany ihany koa ny misary adala eny an-tsehatra. Taona maro anefa no tsy nisy izany, ka tena fotoan-dehibe ny alin’ny sabotsy teo ho an-dry Ikala. Fotoana nahitana an-tsehatra indray an’i Ampelagie sy i Marie Jeanne, tetsy amin’ny Kudeta Urban Club. Nihamatotra? Niverina tamin’ny fitiavany taloha angamba, satria tsapan’ireo nanatrika fa nanana fahatosikan-tena ka nizara izay azony natao izy ireo. Nitondra be ihany koa ny fanotronan-dry Naday sy Mathilda ary Mamps teo amin’ny gitara, sy i Mana teo amin’ny amponga maroanaka.
Ireo hira vahiny nanamarika ny fiantombohan’ny fahatanorany no nozarain-dry Ikala tamin’ny tapany voalohany. Namerina kely ireo nanatrika tany amin’ny 20 taona lasa izany. Narahin’ireo hira malagasy nosafidin’izy ireo manokana izany tamin’ny tapany faharoa. Mazava loatra fa tsy azo nihodivirana ry “Taranaka”, “Voararabis”, “Filafila”, efa nahafantarana azy ireo taloha. Rahoviana ny seho manaraka? Irariana tsy aman-taonany intsony.

Zo ny Aina

Partager sur: