Kianja Barea : Matihanina sy avo lenta ny seho natolotry ny tarika ‘Zay

«Samy te». Io no lohatenin’ny fampisehoana nataon’ny tarika ‘Zay. Tetikasa izay
anisan’ireo mbola novolavolain’i Nary, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny tarika.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasi­na, ny «Samy te».
Fampisehoana niarahana tamin’ny tarika ‘Zay, anisan’ny nentina nanamarihina ny faha-28 taon’ny tarika. Seho niavaka sy matihanina tanteraka no natolotry ny tarika ‘Zay sy ny mpikarakara ireo mpankafy tonga teny an-toerana. An­ko­atra ny fiangalian’i Malala sy ny ekipany ny hiran’ny tarika mantsy dia anisan’ny nanome fahafinaretana ny maso ihany koa ny jiro nanazava ny sehatra sy ny haingon-tsehatra.
Efa «Samy te» tokoa ny fianakaviamben’ny tarika ‘Zay, raha iny fampisehoana teny amin’ny Kianja Barea iny no jerena. Efa samy te hihaona, samy te hiaraka hankafy indray, na ny mpankafy na ny tarika na ireo mpikarakara. Anisan’ireo hira niarahan’ny rehetra nankafy ny «Moa ve ny elanelan-tany», «Aza sakanana», «Hatramin’zao», «Fitia mandainga», «Ataovy zay mety», «Tsy afaka an-doha», «Manahirana», «Anio», «Mi­tam­berina» sy ny hira nampalaza ny tarika hatramin’izay.
Fanamby lehibe ho an’ny tarika, indrindra ireo mpikambana izay navelan’i Nary, anisan’ny mpitarika efa nodimandry, ny fanohizana sy famelomana ny tarika. «Tsy hosoloina i Nary, ary tsy ho voasolo mihitsy, fa tohizanay mpikambana eo anivon’ny tarika, araka izay fahaizanay azy, ny tarika», hoy i Malala, anisan’ ny mpitarika.
Ao anatin’ny ezaka fampahafantarana ireo vakoka eto Antananarivo ihany koa ny Ivenco, izay mpikarakara ny hetsika. Izany indrindra no antony nanaovana azy ho teo amin’ny fiantsonan’ny fiara tao amin’ny kianja Barea. Raha tsiahivina, efa nisy ny fampisehoana sahala amin’iny, teny amin’ny Gara Soarano. Hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny tarika sy ny mpikarakara ho tombontsoan’ny kolontsaina sy ny zava-kanto malagasy.

Lin

Partager sur: