KMF/Cnoe: “Mila havoaka mialoha ny didim-panjakana momba ny fifidianana”

“Hisian’ny fitoviana amin’ ireo kandidà rehetra handray anjara amin’ny fifidianana, ampirisihina ny governemanta hamoaka mialoha ireo didim-panjakana rehetra ilaina amin’ izay fifidianana izay”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, i Tolojanahary Arcelio Avosoa, ny amin’ny fiatrehana fifidianana kaominaly. Hisian’ny fampitoviana ny kandidà izay, ary manampy ny hanekena sy hatokisan’ny rehetra ny valim-pifidianana sy hisian’ny fitoniana aoriana.

Tokony hipetraka dieny izao koa ny tetiandrom-pifidianana sy ny amin’ny anto-bola mba hisian’ny fitoviana amin’ ireo kandidà. Hahazoana miomana amin’ny vola izay. Anisan’ny sakana ny fampiakarana ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina, indrindra amin’ny fampandraisana anjara ny vehivavy sy ny tanora. Raha vao ambony be, ohatra, ny anto-bola, tsy marisika ny vehivavy sy ny tanora. Nefa izy ireo no anisan’ny maro anisa eto amin’ny firenena. Tokony hampirisihana izany ny fandraisana anjaran’izy ireo amin’ ny fifidianana. Nefa lasa sakana izay fiakaran’ny anto-bola fandraisana anjara amin’ny firotsahan-kofidina amin’ny fanontana ny biletà. Hita hoe mila ovaina ny lalàm-pifidianana. Niarahan’ny rehetra nahita izay: nisy ny lesoka be. Matoa nitombo ny fitarainana sy ny fitoriana tamin’ny fifidianana teo, hita hoe misy tsy fahatomombanana marobe tao. Ao anatin’izay, manana andraikitra lehibe ny solombavambahoaka vao voafidy teo.

R. Nd.

Partager sur: