Kamiaobe iray no niala lalana ny vodiny ka nitondra azy amin’ny ankavanan-dalana tany anaty hantsana tao Ankadilalana, fokontany Andranomaitso, kaominina ambanivohitr’Antaretra, distrikan’Ifanadiana, RN 25 Pk 83+500, afakomaly. Kamiaobe nitondra goudron hanatanterahina ny tetikasam-panjakana avy aty Antananarivo ho any Vangaindrano ity niharan-doza ity. Nahazo fampandrenesana momba ny fisian’io loza io ny zandary manao sakana eo Antaretra. Nidina teny an-toerana ny zandary nanao ny fizahana. Sendra naka sisin-dalana no nifanena tamin’ny fiarabe iray hiakatra aty an-dRenivohitra. Teo amin’ny fiolahana no nisehoan’ny loza. Avotra ireo olona tao anaty fiara. Tsy nisy naratra na aina nafoy saingy nahitana fahasimbana goavana ilay kamiaobe. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.
J.C