Ny Ainga- 30 taona: mitohy ny lalana na misy fiovana kely aza

Tontosa omaly, teny An­tsa­ha­manitra, ny fampisehoana niarahana tamin’ny tarika Ny Ainga. Niezaka nampiseho ny naha izy azy ihany izy ireo na dia teo aza ny fahalasanana sy ny fiovan’ny mpikambana sasany eo anivon’ny tarika. Nandritra izany fampisehoana izany no nahitana ireo feo vaovao mikalo ny hira nahafantarana ny tarika Ny Ainga hatramin’izay. “Mitohy hatrany, ma­nao ny hira sy hetsika maro, nahafantarana azy hatramin’izay ny tarika, na eo aza ny fiovan’ny mpikambana”, hoy i Luc, anisan’ny mpitarika eo anivon’ny tarika Ny Ainga.
“Revy manja, vazo milay”. Ambohipihaonan’ny fianakaviambe, mpankafy, ny tarika Ny Ainga indray ny teny Antsahamanitra, nandritra ny fampisehoana nankalazana ny faha-30 taonan’Ny Ainga. Nanokafana ny sehatra ireo hiram-pivavahana sy hira milamindamina. Ny tapany faharoa kosa no niarahan’ny rehetra nihanoka ireo hira mihetsiketsika. Nanakoako teny an-toerana ny “Revy any am-bala”, “Manja foana”, “Ankiniko”…. Anisan’ny nanamarika ny fampisehoana ny fiarahan’ny rehetra niredona ny hira fanevan’ny faha-30 taon’ny tarika.

Lin

Partager sur: