Profesora Alok Sharma : efa azo sitranina any Inde ny olona autiste

Mandrosobe ny fitsaboana sy fiahiana ny zaza autiste any ivelany. Nanaporofo izany ny profesora Alok Sharma avy any Inde.

Nizara traikefa amin’ny fandrosoan’ny fitsaboana sy fitaizana ireo zaza autiste ny profeso­ra manam-pahaizana avy any Inde, Alok Sharma, ny sabotsy teo, tetsy Antaninarenina. Fantatra tamin’izany fa efa afaka averina amin’ny toetenan’ny olona salama tsara toy ny tsy misy kilema ny toetenan’ireo olona autiste any Inde.
Amin’ny alalan’ny «Thera­pie céllulaire» ka hampidirana singa mankany amin’ny atidoha no hanatanterahina izany. Efa ampiharina any ivelany izany ary efa misy ny sitrana. Mora kokoa ny mitsabo ny zaza raha mbola kely izy. Miha sarotra izany rehefa miha lehibe ilay zaza. Any Inde ihany no azo atao ny fampidirana ny singa any amin’ny atidoha atao amin’ny alalan’ny fandidiana. Manodidina ny 4 000 hatramin’ny 10 000 euros ny saram-pandidiana sy ny fikarakarana ary ny fandraisan-tanana rehetra. 2 herinandro no mijanona any ny marary.
Nahaliana ireo mpiantsehatra amin’ny fikarakarana zaza autiste ny fahafantarana ny fandrosoana ary mampisy fanantenana. Anisan’izany ny avy ao amin’ny EATH, tarihin-dRamanantsoa Onja, mitaiza ireo ankizy autiste mavesatra izay tena manahirana ny mitaiza azy.
Hanofana maimaimpoana ireo mpitsabo sy mpikaraka autiste ity profesora manam-pahaizana ity mandritra ny 15 andro.

Efa betsaka rahateo ny foibe mitaiza zaza autiste eto Madagasikara ary mitaky fiofanana ny fifehezana ny fikarakarana ireo ankizy mba tsy hiankin-doha be fa hahay hitony sy hahay miara-miaina amin’ny manodidina azy.

Tatiana A

Partager sur: