Ramakavelo Faly : «Azo tratrarina tsara ny mpizahatany 1 tapitrisa»

Tanjon’ny fanjakana ny hisarihana mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2028, raha 350 000 ny taona 2023 teo. Nambaran-dRamakavelo Faly, mpahay toekarena sady mpandraharaha, fa « azo tratrarina tsara io tanjona io, satria mbola malalaka ny tsena ho antsika eto Mada­gasikara amin’ny fizahantany. Raha raisina ohatra ny atsy Maorisy, tsy misy afa-tsy 1 tapitrisa mahery ny isan’ny mponina, nefa manodidina ny 1,5 tapitrisa ny mpizahatany mitsidika any isan-taona. Eto Madagasikara, manodidina ny 30 tapitrisa ny mponina, nefa 350 000 isan-taona monja ny mpitsidika».
Nomarihiny fa tombondahin’i Madagasikara ny fizahantany ara- tontolo iainana, satria manan-karena amin’ny tontolo mananaina, izay tsy fahita raha tsy eto amintsika ny 5% miohatra amin’ny misy maneran-tany. Nohazavainy fa « nisy mpandraharaha ara-pizahantany any Sina, nilaza tamiko, fa azo atao tsara ny mandefa sinoa mpizahatany 1 tapitrisa aty Madagasikara».
Nohamafisiny fa mila am­piroboroboina ity sehatra ity, izay mifampiankina amin’ny sehatra maro. Anisan’izany ny fampitomboana ny zotra ana habakabaka mankany amin’ny faritra, fa tsy ho Anta­nanarivo sy Nosy-Be ihany. Tokony hatao seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ny renivohi-paritra be mpitsidika, toa an’i Morondava, Taola­gnaro, Toliara, sns.

Njaka A.

Partager sur: