Rugby à VII – “Africa seven’s Men Cup” : Hiatrika ny «challenger series world 2025» ny Makis

Tsy niveri-maina fa nitondra vokatra tsara ny Makis de Madagascar nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovin’olona fito «Africa sevens men cup 2024». Tafita hiatrika ny «challenger series world 2025» i Madagasikara.

Nifarana omaly, tao amin’ny kianja Lambourdonnais Mau­rice, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, «Africa sevens men cup», taranja rugby ho an’olona 7 sokajy senior, lehilahy. Rehefa natambatra ny isa taorian’ny dingana roa natao, nitana ny laharana fahatelo tamin’ireo firenena 12 nandray anjara ny Makis de Madagas­car, nahazo isa 34. Araka izany, tafita hiatrika ny «challenger series world 2025», ny Makis de Madagascar.
Raha ny vokatra azon’ny Malagasy, tamin’ity dingana fa­haroa ity, laharana fahefatra rehefa resin’i Zimbabwe, tamin’ny isa 19 no ho 10, teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo. Raha tsiahivina, nosakanan’i Afrika Atsimo teo amin’ny manasa-dalana ny lalan’ny Makis de Madagascar. Resin’ny Spring­boks, tamin’ny isa mazava 36 no ho 14. Afa-bela izany ny Springboks, efa resin’ny Makis tamin’ny dingana voalohany.
Raha hiverenana ny vokatra azon’ny Makis, nandritra ity dingana faharoa ity. Nitana ny laharana voalohany tao amin’ny vondrona «A», nisy azy. Nandresy an’i Algerie, tamin’ny isa 33 no ho 7 teo amin’ny lalao voalohany. Nanamontsana an’i Zambia, 40 no ho 5 avy eo ary nanilika an’i Kenya, 24 no ho 19. Nidona tamin’i Tunisie, teo amin’ny ampahefa-dalana ka nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 7 no ho 0.

Hitety an’izao tontolo izao ny Makis

Na teo aza ity vokatra ity, nahazo ny tapakila hiatrehina ny «Challenger series world», hitetezana ireo «circuits mondiaux» manerana izao tontolo izao, ny Makis de Madagascar, amin’ny taona ho avy. Marihina fa tapakila roa no niadiana tamin’ity ka ankoatra ny Makis de Madagascar, nahazo izany koa ny The Cranes Ouganda, izay nibata ny medaly volamena. Efa tafita amin’ity fitetezana an’izao tontolo izao ity ny Springboks Afrika Atsimo sy i Kenya. Tsiahivina fa tonga nankahery sy nisaotra tamin’ny vokatra azon’ny Makis de Madagascar ny masoivohon’i Madagasikara any Maurice, i Camille Vital.

Tompondaka

Partager sur: