“Telma Coupe 2024”: lasan’ny Elgeco Plus ny amboara sy ny volabe

Tafita hiatrika ny fifaninanana afrikanina indray ny Elgeco Plus Analamanga. Tsy tafavoaka tamin’izy ireo ny CFFA Andoharanofotsy. Notoloran’ny Telma lelavola avy ireo ekipa roa niatrika ny famaranana.

Toy ny tamin’ny taon-dasa ihany, norombahin’ny Elgeco Plus Analamanga indray ny amboaran’ny “Telma coupe de Madagascar 2024”. Resin’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 ny CFFA Andoharano­fotsy, nandritra ny famaranana izay natao omaly, teny amin’ny Kianja Elgeco Plus By-Pass.
Raha hiverenana ny fi­hao­anana teny an-toerana, ny Elgeco Plus no nahatafiditra baolina voalohany tamin’ny alalan’i Jean Yves, 15 minitra nanombohan’ny fizaram-potoana voalohany. Tolotra avy amin’i Tsila no nahatafidirany izany. Taorian’io niezaka nanohitra ihany ny ekipan-dry Heribe, mpanazatran’ny CFFA, saingy tsy nahakobana ny harato mihitsy izy ireo.
Araka izany, tsy misy ny “Super Coupe 2024”. Samy notoloran’ny Telma lelavola 4 tapitrisa Ariary avy moa ireto ekipa roa nanao ny dingana farany ireto. Tsara marihina fa hotoloran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) lelavola 25 tapitrisa Ariary izay nahazo voalohany tamin’ity. Ankoatra izay, ity klioban’Anala­man­ga ity ihany koa no hiatrika ny fifaninanana Afrika­nina CCAF.

Fitia Randria

Ireo nahazo ny amboara hafa:
Mpiandry harato mendrika indrindra : Nina (Elgeco Plus)
Mpilalao mendrika indrindra: Fenohasina (Elgeco Plus)
Mpampiditra baolina betsaka indrindra: Jessica (ASED Diana )
Mpanazatra mendrika: Coach Deker (Elgeco Plus)
Vaovao fanampiny:
Tapaka tsy afaka nanohy ny lalao hatramin’ny farany i Jean Yves, lohalaharan’ny Elgeco Plus, omaly.
Nitaraina tamin’ny fomba fitsaran’ireo mpitsara efatra mirahalahy ny famaranana ny staff ny CFFA. Miangavy ny mpitantana izy ireo mba hijery akaiky ny mahakasika izany.

Partager sur: