Basy roa sy bala tratra: jiolahy raindahiny maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny distrikan’i Betafo, omaly. Mpanao io asa ratsy io izy ka nosamborin’ny mpitandro filaminana Marotsiazo, kaominina Betafo, ny 7 jolay teo. Nanatontosa fanafihana niaraka tamin’ny namany io jiolahy io ka antony nisamborana azy. Natao famotorana, nanaiky hitoroka ny mpiara-miombona antoka aminy io olon-dratsy io. Hanoro ny toerana nisitrihan’izy ireo, nandositra tampoka io jiolahy io sy ny namany. Nampitandrina ireto farany tamin’ny alalan’ny tifitra ny polisy. Vokany, maty voatifitra io jiolahy efa voasambotra io. Nahatrarana basy PA miisa roa, niampy bala maromaro teny amin’izy ireo. Tafaporitsaka ny namany. No­giazana ireo fitaovam-piadiana sarona ireo ary hanokafana fanadihadiana manokana. Marihina, efa nokarohina hatry ny ela ity jiolahy namoy ny ainy ity.

Tsiferana R.

Partager sur: