“Miisa 40 amin’izao fotoana izao ny ankizy manana fahasembanana ara-tsaina beazina ao amin’ny toeram-pandraisana manokana (classe intergrée) eo anivon’ny EPP Analakely. Mpanabe efatra avy amin’ny Association des éducateurs éspoir Mahalinjo niforona ny taona 2007” no misahana azy ireo, hoy ny filohan’ny Fikambanana, Rasoamihanta Tantelinirina, omaly, teny Analakely. Fiaraha-miasa amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra sy ny EPP Analakely ny nametrahana ny efitrano iray hanabeazana azy ireo. “Ankizy autiste sy trisomique no raisina an-tanana ao ary mbola mitokana aloha ety am-piandohana fa alefa mamonjy ireo mpianatra tsy manana fahasembanana ara-tsaina (classe inclusive) isan-kerinandro ihany izy ireo rehefa tsapa fa afaka mifandray amin’ny hafa”, hoy ny mpanabe iray, Ratsimbazafy Sitraka. Amin’ ny taona ho avy no vinavinaina hotanterahina izay.
Zavatra roa no atao: fananganana ny maha olona ilay ankizy sy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy. Miavaka ny fanabeazana ny ankizy manana fahasembanana ara-tsaina satria mila mahazo ny zaza tsirairay ny mpanabe hanamora ny fifandraisana.
50 % amin’ny fanabeazana ny zaza manana fahasembanana dia omena eo anivon’ny sekoly ary ny 50% ambiny any an-tokantrano ary mifameno ireo, hoy ny ray aman-dreny. Mivoatra be ny zaza rehefa nampidirina tao amin’ny Classe intégrée, raha voahilika hatrany teny amin’ny fiarahamonina.
Vonjy