Fanadinana bakalorea : Tany Manjakandriana ny minisitra

Bakalorea tsy misy tomika no fanambin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hanatrarana izany tanjona izany indrindra no anaovana ny fitsidihana eny ifotony ka nandehanana tany amin’ny ivontoeram-panadinanana any Manjakandriana. Nanome toromarika ireo tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana ny minisitra Ravokatra Fidiniavo. Nijery ny fahatomombanan’ny fotodrafitrasa sy ny fahavitrihan’ireo manana anjara rehetra amin’ny fampahalavorariana izany fanadinana izany.
Telo ny foibem-panadinana ao Manjakandriana. Efa miha maro ireo tanora manala fanadinana any an-toerana.
Fanantenan’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ny tsy hisian’ny fivoahan’ny laza adina mialoha ny fotoana intsony, toy ny nitranga tamin’ny taon-dasa nampisahotaka ka nampirava hatramin’ny 8 ora alina ny mpiadina.
Saro-pady ny fanadinam-panjakana izay handrefesana ny fahaizan’ny mpianatra ka tsy tokony hatao antsirambina ny fanomanana sy ny fanatanterahana izany, indrindra ny fitandremana ny laza adina.

Tatiana A

Partager sur: