FANTINA sy FINTINA

Hotsaraina anio ny fangatahan’ny depiote Mahavitara Sylvestre fahafahana vonjimaika (LP). Nidina an-dalambe ireo mponina any Vangaindrano, nitaky ny hamoahana azy am-ponja sy ny handraisany ny asa maha depiote azy. Tsiahivina fa eny Antanimora, nanomboka ny avrily teo izy, raha ny 6 jona kosa ny didy : Sazy mihatra 5 taona sy tsy mahazo manao asam-panjakana sy politika ary onitra122 miliara Ar.

Nangataka ireo mila ravinahitra any ivelany mba tsy hanadino ny fampandrosoana ny firenena ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nandray ireo diaspora any Canada ny tenany, ny herinandro teo. « Aza hadinoina ny tanindrazana : ny faritany, faritra, distrika, kaominina eny hatramin’ny fokontany niaviany aza », hoy izy. Niangaviany koa ny rehetra hanamarina ny vaovao mivoaka rehetra, araka ny nambarany.

Hanamarihina ny Andro afrikanina iadiana amin’ ny kolikoly, ny 11 jolay izao, ny hetsika atao eny Andrai­narivo. Eo ny hivoaboasana ny lohahevitra momba ny fanabeazana amin’ny haino aman-jery sy ny fahazoana vaovao. Eo koa ny tokony hatao iarovana ireo mpisintona lakolosy. Ahitana tranoheva momba ny Transparency International koa eny an-toerana.

Anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena, no hanatanterahina ny fivoriana manokana, iarahana amin’ireo solombavambahoaka voafidy farany teo. Ny solombavambahoaka zokiny indrindra sy zandriny indrindra no hitarika izany fotoam-pivoriana manokana izany.

Partager sur: