Tafaverina ho mpikambana feno amin’ny International Air Transport Association (IATA) ny kaompania malagasy, Madagascar Airlines.
Ny 11 marsa lasa teo no efa nanambara io fiverenana io ny Madagascar Airlines ka nanamafy izany ny IATA ny fiandohan’ity herinandro ity. Mpikambana feno eo anivon’ny IATA ankehitriny ny Madagascar Airlines rehefa naato nanomboka ny taona 2011. Nohamafisin’ny IATA tao amin’ny tranokalany ny alahady lasa teo, ary nanambarany fa anisan’ireo kaompania 17 nahazo fankatoavana iditra amin’ny IATA indray
ny Madagascar Airlines. Raha tsiahivina, nampiato ny fankatoavany ny Air Madagascar ny IATA, tamin’io taona io, noho ny tsy fisian’ny antoka ara-bola. Afaka mivarotra ny tapakila rehetra amin’ny sidina anatiny, araka izany, ny kaompania malagasy na ho an’ny teratany Malagasy na ho an’ny teratany vahiny ka hanamafy ny fifandraisana amin’ny Madagascar Airlines. Afaka mivarotra ny “package”, araka izany, ireo mpandraharaha amin’ny fizahantany, amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny orinasa efa misy fifanarahana ara-barotra. Malalaka koa, noho ity fankatoavana ity, ny fampidirana ireo sidina anatiny an’ny Madagascar Airlines ao anatin’ny tolotra omen’ny mpandraharaha. Manamora ny fikarakarana ny dia, tsy manahy ny amin’ny dingana sy fombafomba arahina intsony, noho izany, ny mpanjifa.
“Phénix 2030”
Nanomboka nampihatra ny Drafi-panarenana “Phénix 2030” ny volana novambra 2023 teo ny Madagascar Airlines. Drafitrasa izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola mitentina 60 tapitrisa dolara, hanampiana ny kaompania mandritra ny efa-taona. Ny 25 tapitrisa dolara hanatanterahina ireo teboka efatra hanarenana ifotony ny kaompania. Ankoatra izay, manamafy ny fankatoavan’ny IATA ny Madagascar Airlines ihany koa ny fiverenany eo anivon’ny “IATA Clearing House (ICH)”, vovonan’ny IATA miandraikitra ireo tapakila lafon’ny kaompania maro isan-karazany.
Henintsoa Hani