INDRAY MIJERY

Vita ny atrikasa narahina fiofanana momba ny fahitan’ireo olona manana fahasembanana sy ny fiarahamonina ao amin’ny faritra Menabe ny zava-misy mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana. Niara­hana tamin’ny fikambanana Autisme Mada­gasikara izany. Naharitra roa andro ny atrikasa nampitana tamin’ireo olona manana fahasembanana ny zony. Voa­resaka avokoa ny lafiny sosialy, kolontsaina sy ny ara-piarahamonina.
Ahitana fiakarana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo amin’izao. Avo telo hatramin’ny dimy heny ny fetran’ny OMS avokoa ny refy rehetra voaray. Vinavinaina hijanona ho mankarary ny olona rehetra ny kalitaon’ny rivotra ao anatin’ny telo andro ho avy. Ireo olona marefo amin’ny fahalotoan’ny rivotra dia mety ho tratran’ny olana ara-pahasalamana mafy kokoa mandritra izany.
Nisongadina nandritra ny lahatenin’ny minisitry ny Fahasalamana, omaly, ny fanatanterahana ny fihaonambem-pirenena ho fampiroboroboana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Laharam-pahamehan’ny fanjakana izany mba ho antoky ny fampandrosoana ny firenena. Voizina manerana ny Nosy ny tokony hampiasana ny fandrindram-piterahana.
Ny 23 hatramin’ny 25 aogositra izao no hanatanterahina ny fivoriamben’ny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara. Io no fahefana fara-tampony ao amin’ny MTEM izay ahitana ireo komity lehibe sy ny solontenan’ireo rafitra misy. Manatrika ihany koa ny synodam-piangonana sy ireo mpiara-miombon’antoka.

Partager sur: