JIC 2024: antoka ho an’ny fampandrosoana ny kaoperativa

Mifamatotra tanteraka ny kaoperativa sy ny taninketsa indostrialy izay mpamokatra voalohany ny akora manodina ny orinasa One district one factory (ODOF). Tanjona apetraky fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana ny in­dostria sy ny varotra (MIC), ny hanatsara ny fiainan’ny tan­tsaha mikambana ao anatina kaoperativa. Laharam-pahamehan’ny fanjakana rahateo ny fanavaozana ny lalàn’ny famatsiam-bola sy ny lalàna mifehy ny kaoperativa, hoy
ny minisitra Razafindravahy Edgard, ny zoma teo, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny kaoperativa (JIC 2024), teny Antaninarenina. Ankehitriny, miisa 8 ireo kaoperativa mi­tantana ny ODOF any amin’ny distrika maro. Nilaza kosa ny solontenan’ny tantsaha fa mila halalahana ny fahazoana izany. Ankoatra izay, tokony hitondrana fanazavana bebe kokoa ny lalàna mifehy ny fa­matsiam-bola sy ny kaopera­tiva. Tsiahivina fa lohahevitra nankalazana ny JIC tamin’ity taona ity ny hoe “ny orinasa kaoperativa manorina hoavy tsara kokoa ho an’ny rehetra”.

Henintsoa Hani

Partager sur: