Lalao Olympika “JO 2024”: I Rija sy i Sidonie no hisolo tena ny atletisma

Atleta mianadahy no hiatrika ny lalao Olympika izay hotanterahina any Paris France, eo amin’ny atletisma dia i Rija sy i Sidonie. Hihazakazaka eo amin’ny 100 m misy fefy i Sidonie raha eo amin’ny 100 m tsotra kosa i Rija.

Taorian’i Sidonie Fiada­nantsoa, izay nomen’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny atletisma ny fahazoan-dalana hiatrika ny lalao Olympika (JO 2024), hatao any Paris France afaka roa herinandro, fantatra ihany koa izao fa nahazo fanasana manokana “wild card” avy amin’ny komity iraisam-pirenena Olympika (CIO), i Rija Vatomanga Gardiner.
Hihazakazaka eo amin’ny 100 m tsotra ny lehilahy mandritra ity fifaninanana maneran-tany ity. Nambaran-dRam­­beloson Hery, tale teknika nasionaly fa nandefa anarana 5 tany amin’ny CIO ny Federasiona malagasy (FMA), ka izy ireo no nifidy izay hitany fa mendrika hahazo fanasana manokana, arakaraka ny zava-bitan’ny tsirairay.

Marihina fa Malagasy mipetraka any Frantsa i Rija. 24 taona izy ary atletan’ny klioba Montpellier Athletic Mediterra. Tsy anisan’ireo atleta manana laharana ao amin’ny Federasiona iraisam-pirenena ny tovolahy tamin’ny fanavaozana natao ny 30 jona lasa teo.
Raha tsiahivina, laharana faha-574 maneran-tany izy ny taona 2020 teo amin’ny halavirana 400 m ary 796 teo amin’ny 200 m ny taona 2023. Raha ny hazakazaka nataony teo amin’ny 100 m indray no ambara, indroa niatrika fifaninanana tamin’iny volana jona lasa teo iny izy. Anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Occitanie Elite, natao tao Rodez ka nahavitany izany tao anatin’ny fe-potoana 10 s 75 ampahazato ary ny “meeting national” tao Pezenas, ka 10 s 76 ampahazato.
Tsiahivina fa samy tsy eto Madagasikara i Sidonie sy i Rija fa any ivelany avokoa. I Sidonie miofana ao amin’ny ivontoerana ao Dakar Sénégal ary i Rija any France.

Tompondaka

Partager sur: