Migadra i Julio Gros bras : Polisy am-perinasa voadaroka!

Polisy iray mpandrindra fifamoivoizana no naratra voadaroky ny mpamily iray. Tsy ara-dalana ny taratasiny ka nahazo fampitandremana. Nivoaka ny fiara izy, nidaroka avy hatrany ilay mpitandro filaminana.

Tonga nitolo-batana teo anivon’ny kaomisaria foibe Bazarikely, Rama­herison Julio Franco, fantatry ny maro amin’ny solon’ana­rana hoe Gros bras, noho izy voarohirohy ho nanao herisetra tamina polisy am-perinasa. Nitarika faharatrana ho an’ilay polisy niasa teo amin’ny sampanana Rélax, Ankirihiry, ny zoma maraina teo, ny herisetra sy daroka nataon’ity Gros bras ity. Fantatra tao anatin’ny famotorana azy fa Gros bras ana mpanao politika iray ao Toamasina i Julio. Mpamily taksiborosy mampitohy an’i Toamasina sy ny tapany avaratra amin’ny lalam-pirenena fahadimy (RN5) ihany koa izy. Nosakanan’ny polisy mandeha moto teo amin’ny sampanan-dalana Rélax Ankirihiry ny fiara mini-bus mena nentiny tamin’io zoma io. Tsy nisy afa-tsy taratasy iray «carte grise » ihany anefa tany aminy. Nilaza ilay polisy nisava azy
fa tsy tokony hiasa ny fiara. Nivoaka ny fiara i Julio ka no­darohany avy hatrany ilay po­lisy.
Mandeha sahady
ny tsindry…

Nosintoniny ny findainy, nalainy koa ny fanalahidin’ny moton’io polisy io. Lasa ni­tsoaka izy taorian’izay. Noho ny ratra mafy nahazo azy, nentin’ny olona teny amin’ny hopitaly ilay mpitandro filaminana. Naratra mafy teo amin’ ny lohany izy. Niaiky ny heloka nataony i Julio nandritra ny famotorana azy. Tao­rian’izay kosa natolotra ny fampanoavana izy ka nido­boka am-ponja ao amin’ny fonjaben’Am­balatavoahangy. Fantatra, araka ny loharanom-baovao, fa efa mandeha sahady ny tsindry sy ny fanelanelanana ataon’ireo solontenam-panjakana ao Toa­masina amin’ny hamoahana azy.

Sajo/J.C

Partager sur: