Lehilahy manodidina ny
32 taona maty an-drano teo amin’ny ranon’Ikopa, teo Tanjombato, omaly. Araka ny angom-baovao, nanasa tongotra teo amoron-drano io lehilahy io, ny tolakandron’ny alahady 7 jolay teo. Lasan’ny rano tampoka anefa izy ka nikoropaka nitazana ny mponina manodidina. Niandry azy hivoaka ireo mpanasa lamba teo akaiky saingy vao mainka tsy hita intsony io lehilahy io. Niantso ny Sampana mpamonjy voina avy hatrany ireo nanatri-maso. Nigadona teny an-kianja ny mpitandro filaminana tamin’ny 3 ora sy 34 minitra tolakandro. “Nanao ny fikarohana ny ekipa. Nitohy nandritra ny harivan’ny alahady izany. Nandroso maizina ny andro saingy tsy hita io olona voalaza fa rendrika ny rano io”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny Sampana mpamonjy voina ao Tsaralalàna, ny kaomandà Eric Olivier Ralaivaonoro. Niverina vao mangiran-dratsy teny an-toerana indray ny ekipan’ny mpamonjy voina nanohy ny fikarohana io olona io. “Hita faty ny lehilahy iray manodidina ny 32 taona tamin’ny 10 ora sy 34 minitra”, hoy hatrany ny fanazavany.
Tsy mponina eny amin’ny manodidina
Samy nijery ny endrik’io olona hita faty io avokoa ireo nanatri-maso teny an-toerana. Voamarina fa tsy mponina eo anivon’ny fokontany io lehilahy maty io. Nentin’ny tomponandraikitra nihazo ny tranom-paty HJRA, araka izany, ny vatana mangatsiakan’io lehilahy maty io. Niroso amin’ny fanadihadiana ny mombamomba ny raharaha kosa ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.