Sehatrasa fito nohadihadiana : misy fiantraikany ratsy sy tsara amin’ny zon’ny ankizy

Misy fiantraikany ratsy sy tsara amin’ny zon’ny ankizy ny sehatrasan’ny orinasa nohadihadiana, fa tokony hiezaka hampitombo ny vokatra tsara izy ireo, hoy ny tomponandraikitry ny sehatra tsy miankina ao amin’ny Unicef, Rafidimaharo Miary

Nanao fanadihadiana teny anivon’ny orinasa tsy miankina miisa 40 amin’ny sehatrasa fito (fambolena, fizahantany, orinasa mpikirakira lamba…) ny Unicef sy ny Cabinet Innoveo ary nijery manokana ny fiantraikan’ny asan’ireo orinasa ireo amin’ny zon’ny ankizy. Notanterahina nandritra ny enim-bolana ny fanadihadiana, teto Antananarivo sy Toamasina, ny taona 2023 ary nozaraina, omaly, teny Ambo­divoina ny vokatra nisongadina. Namokatra boky torolalana misy toromarika 10 ho an’ny orinasa ahafahan’izy ireo mampiroborobo ny zon’ny ankizy ny Unicef sy ny mpiray ombon’antoka maromaro, ny taona 2012. Tokony ho hita taratra amin’ny toeram-piasany, amin’ny tolotra na entana vokarin’izy ireo ary ny tontolo manodidina ny orinasa ny fampiharana ny torolalana. Iray amin’ireo toromarika ny fanafoanana ny fampiasana ankizy amin’ny sehatrasa samihafa misy ilay orinasa.
Ho an’ny fambolena sy ny jono, misongadina fa miasa amin’ny sehatra tsy manara-drafitra ny maro anisa ka tsy misy fiahiana sosialy ny ankohonana ary tafiditra ny ankizy. Ho an’ny fizahantany, ahina ny tsy fanajana ny zon’ny ankizy amin’ireo tolotra omen’ny mpisehatra ho an’ny mpanjifany ka mety hiseho ny fanararaotana ara-pananahana atao amin’ny zaza. Ma­tetika koa tsy manana fiahiana sosialy ny orinasa mpisehatra ka sahirana ny mpiasa.
Sehatra efatra no tena imasoan’ny orinasa hampiroboroboana ny zon’ny ankizy : fanohanana ny fanabeazana sy ny fahasalamana, fanampiana ny fahazoana rano ma­dio sy ny fidiovana ary ny fanjarian-tsakafo. Miseho amin’ny fanaovana asa mifandraika amin’ny andraikitra ny orinasa hanampiana ny mpiara-belona (RSE) ny hetsika: fanorenana efitrano fianarana, fampitaovana toeram-pitsaboana…

Vonjy A.

Partager sur: