SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any Mahajanga, ny 13 hatramin’ny 20 jolay ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy zandriny. Miisa 20 ireo klioba hifanintsana ao amin’ny vehivavy. Naaton’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball kosa ny lehilahy, noho ny tsy fahafenoan’ny fetr’isa takina amin’ny fifaninanam-pirenena.

Tonga omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny Makis Seven Madagascar, lehilahy. Avy niatrika ny fifaninanana afrikanina izay natao tany Maurice izy ireo. Marihina fa efa tafita hiatrika ny “World Challenge Series” ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa nahazo ny laharana fahatelo izy ireo tamin’izany.

Hotontosaina manomboka ny faha-13 ny volana jolay ho avy izao, eto Antananarivo, ny “Playout PFL”, taranja baolina kitra. Hanokatra izany eny an-toerana ny fifanandrinan’ny samy Kaonferansy atsimo, misy ny CFFA Andoharanofotsy, ny Dato FC, ny Mama FC ary ny Inate FC Vakinankaratra. Natao hahafantarana ny klioba mihintsana any amin’ny diviziona faharoa ity “Playout PFL” ity.

Hatao anio, amin’ny 10 ora alina ora aty Madagasikara, ny lalao manasa-dalana voalohany ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Euro 2024”, izay hatao any Allemagne. Hifanandrina amin’izany i France sy i Espagne. Fihaonana izay hotontosaina ao amin’ny kianja Allianz Arena.

Partager sur: