Tetikasa Kanto Manabe : zavakanto mivelatra sy matihanina no tanjona

Anisan’ny singa iray ahafahana manabe sy mitaiza, indrindra ho an’ny ankizy sy tanora, ny zavakanto. Efa mivelatra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana izany ankehitriny ho an’ny TKM.

Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’An­ta­nanarivo (AFT) Anda­vamamba, ny fampirantiana asa kanto, nomanin’ny fikambanana Plum’art sy ny mpandray anjaran’ny tetikasa Kanto Manabe. Azo tsidihina hatramin’ny 31 jolay 2024 ireo asa kanto ireo. Misy ihany koa ny atrikasa maro samihafa tanterahina eny an-toerana, izay nanomboka omaly, hatramin’ny 19 jolay 2024. Ankoatra ny fampiroboroboana ny zavakanto, tanjona amin’ny hetsika ny fampidirana sy fampahafantarana ireny zavakanto maro ireny ho an’ny tanora.
Mitombo hatrany ny hetsika ataon’ny Tetikasa Kanto Manabe, iarahany amin’ireo fikambanana mpiangaly ny zavakanto. Tamin’ny andron’ny omaly, atrikasa mahakasika ny fanaovana sary lasitra sy kilalao vita amin’ny taratasy no nameno ny fandraharam-potoanana. Amin’ity anio ity kosa no hahitana ny hetsika « Mahay kanto », atrikasa hizarana sy hifampizarana ireo paikady handavorarina ny haikantona mpanakanto iray. Anisan’ny hianarana ao anatin’izany ny fampiasana ny loko sy ny firafitry ny singa maro mandrafitra ny zavakanto iray, indrindra ny sary.
Ankoatra ny sary lasitra sy hosodoko. Hisy ihany koa ny atrikasa mahakasika ny Slam, iarahana amin-dRavalison Rado, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Orad. Ao anatin’izany no hizarany ny paikady vitsivitsy handavorarina ny fiakarana an-tsehatra ho an’ny mpanakanto. Hisy koa ny atrikasa mahakasika ny dihy, iarahana amin’i Sitraka Haro. “Sady maneho hevitra sy fihetsem-po no miala voly, amin’ny alalan’ny dihy”. Io no lohahevitra voizina mandritra ny atrikasa. Ireo atrikasa ireo izay samy hotanterahina ny 11 jolay 2024, eny amin’ny AFT Andavamamba, hetsika izay maimaimpoana sy misokatra ho an’ny rehetra.

Lin

Partager sur: