Hisokatra manomboka ny 15 jolay ho avy izao, ny toeram-pandanjana fiara vaventy mitatitra entana, mampiasa ny lalam-pirenena fahasivy, RN9. Eny Ampondrolava, kaominina Belalanda ny toerana misy azy. Iharan’ny fanaraha-maso avokoa ny fiara mitondra entana mira na mihoatra ny 3,5 taonina. Hatao ny 11 sy 12 jolay ny andrana teknika eny an-toerana.
Nahazo fitaovana fanahazana, fanamainana hazandrano, ny mpanjono any Ambatorao, Sainte Marie. Anisan’ny mamatsy hazandranomasina betsaka, toy ny trondro, ny horita sy ny hafa any Ambodifotatra ny ao Ambatorao, 30 km avaratr’i Sainte Marie. Nanolotra ny fotodrafitrasa, omaly, ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert.
Tsy mbola tonga ny sambo mitatitra solika mavesatra « fuel » anisan’ny ampiasaina ampihodinana ny milina mamokatra herinaratry ny Jirama. Mitohy, araka izany, ny fanapahana ny herinaratra mifandimby, hitsitsiana ny tahiry, ho an’Antananarivo sy ny manodidina, maharitra adiny iray sy sasany hatramin’ny adiny roa izany.