Afafi Fahasalamana : azo aloa amin’ny finday ny saram-piantohana

Natao sonia ny 3 jolay teo ny fifanarahana fiaraha-miasan’ny orinasa Airtel Money sy ny fikambanana Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana (Afafi). Azo aloa amin’ny finday, amin’ny alalan’ny Airtel Money ny fanonerana ny fiantohana ara-pahasalamana ho an’ny mpikambana Afafi. Mitovy ny fijerin’ny roa tonta, satria «tanjona ny hanamorana ny fahazoan’ny tsirairay fitsaboana sahaza azy avy».
Nambaran’ny tale jeneraly mpisolo toerana ny Airtel Money, Randrianarison Heriti­ana, fa «ezahina hatrany ny hanomezana tolotra tsara kalitao ny rehetra. Ao anatin’izany ny fampiasana ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra amin’ny fikirakirana ny lafiny ara-bola, ka tsangambato lehibe natsangana ny sehatry ny fahasalamana».
Nohazavain-dRazafinja­tovo Felaniaina, tale nasiona­lin’ny Afafi, fa ahafahana manitatra manerana ny Nosy ny fiahiana ny mpikambana ity fifanarahana ity. Satria tanjona ny hahazoan’ny fianakaviana, in­drindra ireo marefo, fitsaboana sahaza azy.
Manome antoka amin’ny fitsaboana itsinjovana ny olo­na sahirana ara-bola ny Afafi, hamerana ny tsy fahafahana mitsabo tena.

Njaka A.

Partager sur: