Efa saika namoaka ny valim-panadinana BEPC avokoa ny fari-piadidiam-pampianarana rehetra eto amin’ny Nosy. Andrasana hivoaka amin’ity herinandro ity kosa ny an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina.
Efa namoaka ny valim-panadinana BEPC ny fari-piadidiam-pampianarana 43 manerana ny Nosy. Anisan’izany, Ambanja, Ambatolampy, Anjozorobe, Ambatomainty, Ambohidratrimo, Andramasina, Ankazobe, Manjakandriana, Antanifotsy, Betafo, Faratsiho, Antsalova. Toy izany koa Befotaka, Benenitra, Beroroha, Besalampy, Iakora, Ifanadiana, Ikalamavony, Maintirano, Mandoto, Midongy Atsimo, Morafenobe, Sainte-Maire…Mbola eo am-pandikana ny naoty amin’ny solosaina kosa ny eto amin’ny fari-piadidian’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Men), afakomaly. Tsy nitovy ny fotoana namoahana ny valim-panadinana ho an’ireo fari-piadidiana manerana ny Nosy, noho ny hamaroan’ny mpiadina ho an’ny toerana sasany ka antony nahatara izany. «Andrasana ao anatin’ny roa na telo andro, amin’ity herinandro ity, ny fotoana hamoahana ny valim-panadinana sy ny «délibération» ataon’ny mpampianatra ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra», hoy ny talen’ny serasera eo anivon’ny Men, Rakotoarisoa Zo Lala. Tombanana hivoaka anio kosa ny ao Avaradrano.
Niakatra ny taham-pahafahana
Nahitam-piakarany ny fari-pahaizan’ny mpianatra tamin’ ity taona ity, raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Amin’ny ankapobeny, manodidina na mihoatra ny 50 % mahery ny taham-pahafahana fanadinana BEPC efa nivoaka manerana ny Nosy, araka ny tatitra voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hatrany. Nisafidy ny hanao ny taranja Anglisy avokoa ny ankamaroan’izy ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nahitana mpiadina betsaka afa-panadinana ny tany amin’ny Cisco Kandreho, mahatratra 84,06 % ny taham-pahafahana. Ny Cisco Besalampy kosa no ambany indrindra, izay manodidina ny
42,92 %.
Mino