Fahantrana : tsy resahina mihitsy ny kolontsaina

Ilay fiheverana fa ny rindrankira eny an-tsehatra ihany no atao hoe kolontsaina no mitondra hevi-diso hatramin’izao. Raha ny voalazan’ny mpahay tantara, anefa, nialoha ny nampiasain’ny vahiny ny basy aman-tafondro, ny kolontsaina no nopotehany. Noho izany, raha te hiala amin’ny fahantrana sy ny habadoana lalina, mila haverina amin’ny laoniny ny kolontsaina malagasy. Velarina hanaraka ny vanim-potoana avy eo. Tsy ampy ny fanaovana kajy ara-toekarena eo ambony latabatra. Ilay Malagasy hanehoana ny valin’ny kajy, aza, tsy resy lahatra na tsy mahafantatra akory izay tena vontoatin’ireny…
… Hany ka tsy mampaninona azy ny mivarotra ny tanindrazany. Ny tsy mahafantatra ny momba azy manontolo. Ny manivaiva ny fomba amam-panaony. Ny mamingavinga ireo loharano nipoirany, sns. Raha tsy tafapetraka amin’ny toerana sahaza azy anefa ireny rehetra ireny, hiaina ao anaty fahantrana lalina hatrany ny Malagasy sy i Madagasikara.
Saingy, iniana tsy resahina ny kolontsaina mba tsy ho tazan’ny Malagasy izany rehetra izany. Vokany, nanjary lalim-paka eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ny fanaovana tsinontsinona ny kolontsaina… Nomeny lanja ireo karazana kajikajy samy hafa. Ha­tramin’izao anefa, tsy mbola voakajiny ny fanambakana atao aminy!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: