Fambolen-kazo 2024: tratra ny 86% ny tanjona napetraka

Laharam-pahamehana amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) ny ady amin’ny trafika sy ny fiarovana ny harena voajanahary.

Namintina ny zava-bita sy ny hatao manaraka ny minisitry ny Tontolo iainana, Max Andonirina Fontaine, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny nisongadina ta­min’ny tatitra ny mahakasika ny ady amin’ny trafikana zava-mananaina (biby sy zava-ma­ni­ry), toy ny sokatra, ny varika, ny hazo « pachypodium », izay mirongatra, ankehitriny. No­tsindriany fa mitohy ny paikady « tsy misy fandeferana na iray aza ». Efa napetraka ny vaomiera manokana « task force » iarahana amin’ireo firenena nahatrarana azy ireny, toy ny any Thaïlande, ohatra, hanamafisana ny fanaraha-maso ny sisin-tany, ny seranam-piaramanidina, seranan-tsambo, sns. Toraka izany koa ny eto an-toerana, hanaraha-maso ny lalam-pirenena, ny sisin-tany, iarahana amin’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona, ahitana mpanome vaovao miisa 7 000.
Miisa 75 000 ny zana-kazo volena amin’ity taona 2024 ity. Tratra ny 86% amin’io tanjona io, ary tohizana sy hitarina amin’ny hoavy. Hisy koa rafitra apetraka hitantanana ny antontam-baovao mahakasika ny fambolen-kazo. Ao anatin’izany ny hampiasana ny fitaovana « drône », ny fambolena zana-kazo vaventy sy ny zana-kazo eny ifotony na zanatany.
330 tapitrisa dolara

Nosinganin’ny minisitra koa ny Fampindramam-bola nohamoraina hiatrehina ma­haritra ny fiovan’ny toetr’andro (FRD) avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), maherin’ny 330 tapitrisa dolara. Miisa 12 ny fepetra ho fa­narenana hatao, iarahana amin’ny minisiteran’ny Ango­vo sy ny akoranafo (MEH). Ho­ferana ny fiparitahan’ny entona karbona, ka ahazoana tombom-bola 1,4% amin’ny taona 2030 raha mahomby ny paikady hapetraka. Hama­fi­si­na ny fiarovana ny ala sy ny tontolo mananaina. Havaozi­na ny didim-panjakana mamaritra ny fidirana ao anatin’ny tsena karbôna.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: