Hisaotra ny vahoakan’i Faratsiho i Lalatiana Rakotondrazafy. Hanatanteraka hetsika sy lanonana ary fihaonambe any an-toerana ny tenany ny sabotsy ho avy izao. Hatao ao amin’ny kianjan’Anosilava izany. Handaha-teny amin’izany ny tenany ka anisan’ny teny fanevany ny: “Tsy misy fankahalana mandresy fitiavana”. Hanafana ny hetsika ny tarika Rebika.
Kandidà voalohany naneho fahavononana ho ben’ny Tanànan’Antananarivo, i Rinah Rakotomanga. Nambarany tao amin’ny “Facebook”, omaly izany. “Izay tsara fiomanana tsy tampohin-doza” , hoy izy. Nanteriny fa efa niomana ny tenany ary efa nanam-pikasana tany amin’ny 14 taona lasa. “Be ireo ady sy dingana natrehina. Teo koa ny fanenjehana ka izao vao tapa-kevitra”, hoy izy.
Namindra ny fitantanana ny kaominina Sabotsy Namehana amin’ny mpitantana vaovao, Rakotoarisoa Gabin, ny ben’ny Tanàna teo aloha, i Avotra. 17 taona no nitantanany izany kaominina izany ary izao voafidy ho depiote izao ny tenany. Nirary soa sy nankasitraka ny vahoaka izy tamin’ny fiaraha-miasa. Latsa-dranomaso ity depioten’Avaradrano ity tamin’izany.
Mitsipaka ary malahelo sy tsy manaiky ny fanodinkodinana safidim-bahoaka ireo olobe any Ihosy. “Tratra ambodiomby ireo nangala-bato… Manana porofo izahay nefa tsy noraharahina… Tokony ho lany ny kandidànay “Tsy atoro fa hita” ka takinay ny hanaovan’ny HCC fanadihadiana”, hoy izy ireo, omaly. Manahy korontana izy ireo ka miantso sy manaitra ny HCC.