FAO sy Minae : fiaraha-miasa ho an’ ny fanjarian-tsakafo

Novolavolain’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny tsakafo (FAO), ny taona 2019, ny hetsika « Mifampitantana » (main dans la main). Niditra tao anatin’ny hetsika i Madagasikara, ny taona 2023. Natao sonia, omaly, teto Antananarivo, ny fiaraha-miasa ny tetikasa « Tohana ho an’ny fanovana ny rafitra ara-tsakafo ho an’i Madagasikara », tafiditra ao anatin’ny hetsika « Mifampitantana ». Nanatante­ra­ka izany ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny solontena maharity ny FAO eto amintsika, Mbumi Charles Boliko.
Tanjona ny hiaraha-mientana hitondra fijery sy fomba fiasa vaovao, iarahan’ireo mpisehatra voakasika sy ny mpiara-miombon’antoka, mba hisian’ny fampandrosoana maharitra amin’ny lafiny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara.
Maharitra 4 taona ity tetikasa ity, hanatsarana ny rafitra ara-tsakafo. Hifantohana ny fanafoanana ny fahantrana, ny fanalefahana ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fametrahana paikady maharitra hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, ny fampihenana ny tsy fitoviana, sns.

Njaka A.

Partager sur: