Fy Andrianarison : Boky mahakasika ny vaovao an-tsarin’ny TVM

Sambany nisy boky mirakitra ny tantaran’ny Televiziona Malagasy (TVM). Manasongadina ny vaovao an-tsary i Fy Andrianarison, mpanao gazety ao aminy.

Ezaka goavana! Nampa­hafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 8 jolay teo, ny boky nosoratan’i Fy Andrianarison, mpanao gazety ao amin’ny fahitalavitra TVM. Nosoratany amin’ny teny frantsay, mitondra ny lohateny hoe : «Le journal télévisé de la TVM». Mitantara ny tantaran’ity haino aman-jery ity, nanomboka ny taona 1967, ny dingana rehetra amin’ny asa an-gazety, toy ny fizotry ny fivoriana fandaminana, ny fomba fikaroham-baovao, ny fikirakirana ataon’ny teknisiana, hatrany amin’ny famoahana ny vaovao ho an’ny mpijery.
Notsoriny fa «sahirana aho fony niditra tao amin’ny TVM, ny taona 2003, tamin’ny fanaovana tatitra tamin’ny fianaran’asa sy ny fikaroham- pahalalana (mémoires). Satria tsy nisy mihitsy ny boky mirakitra ny TVM ».
Hita ao anatin’ity boky ity ny teknolojia nampiasaina nanomboka tamin’ny « analogiques » hatramin’ny niomerika, ankehitriny. Ao koa ireo mpitantana nifandimby nitondra ny TVM, ireo mpanao gazety rehetra miasa ao ankehitriny, ny tantara nanomboka teny Antaninarenina hatreny Anosy, ny « Alatsinainy mainty 2009 », ny fanarenana, sns.

Tahiry velona
Nilaza ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera (MKS), Rakotondrasoava Fe­tra, fa « zava-dehibe ho an’ny tanora sy ny mpanao gazety ny asa soratra toy izao satria mitondra haren-tsaina ho an’ny mpamaky».
Nanoratra ny teny fanolorana ny tale jeneralin’ny ORTM, Ranarivelo Nampoina, mpanatontosa ny fandaharana « Gasy Mafoaka » ao amin’ny TVM, ankehitriny.
Nomarihin’i Fy Adriana­rison fa televizionam-panjakana ve sa fahitalavi-pirenena ny TVM? Ho azy, Tahiry velona ho an’ny Malagasy ity televiziona ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: