Ratsy fanombohana ny Cosfa teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2024), taranja handball, sokajy lehilahy. Fihaonana notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Resin’ny Mahorais, tamin’ny isa 26 no ho 20, ry zalahy. Vokatra tsy nampoizin’ny rehetra. Noheverina fa tsy hahatohitra ny miaramila, nahitana an-dry Faniry, Julien sy ry Nasolo, ry zareo Brandele saingy ireto vahiny indray no nampiseho endri-dalao feno fahavononana ka nivoaka ho mpandresy. Hidona amin’ny AS St Michel, ny HC Brandele, anio, eo amin’ny andro faharoa. Tsy tonga ny Liberté Club Comores, ho an’ny sokajy “B” ka tsy misy afa-tsy ekipa telo sisa mifaninanana dia ny AS Tsingoni sy ny Combani, samy avy any Mayotte, ary ny Asco Madagasikara. Niala an-daharana koa ny Sifaka Amoron’i Mania, ho an’ny vehivavy, ka tsy misy afa-tsy ekipa 3 sisa dia ny THBC sy ny My-Sah ary ny AS Tsingoni. Manao lalao mandroso sy miverina izy ireo ka miatrika ny famaranana ny roa voalohany.
Tompondaka