Nosy-Be : Sambo kenyanina tratra nanjono an-tsokosoko

Tratra tany amin’ny fari-dranomasina antsoina hoe « Ban­ce du Leven » ny sambo ke­nyanina iray, nanjono an-tsokosoko tany amin’ny 87 km, avaratra andrefan’i Nosy-Be, ao anatin’ny fari-dranomasin’i Ma­dagasikara, ny 8 jolay teo. Nan­dritra ny iraka fisafoana mahazatra nataon’ny sam­bo mpa­nara-maso Antsantsa, an’ny Foibe fanaraha-maso ny jono (CSP) no nahavitana izany.
Miisa 8 ny mpanjono tao anatin’ity sambo ity, ka teratany kenyanina ny 3 ary srilankey ny 5. Manana halava 14,25 m sy sakany 4,98 m ity sambo ity, ary milina manana tanjaka 160 Cv. Nahitana ha­zandranomasina antsantsa anaty lagilasy vao avy nojonoina, milanja 250 kilao, tao anatiny. Maromaro koa ny vombon’antsantsa sy sira, mi­lanja 150 kilao eo ho eo. Tafi­ditra ao anatin’ny karazana hazandrano arovana, ahina ho lany tamingana ireo, ka tsy azo trandrahina. Manodidina ny 50 kilao koa ny trondro mangatsiaka tao anatiny, mi­ampy fitaovam-panjonoana harato sy « palangre ».
Araka ny fanadihadiana, tsy manana fahazoan-dalana hanjono aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ity sambo ity. Sazy miandry azy ireo ny fandoavana lamandy 900 000 000 Ar hatramin’ny 2 100 000 000 Ar. Nogiazana ny sambo ary notaritina nihazo ny seranan’i Nosy-Be, niaraka tamin’ireo olona tao anatiny, hanohizana ny fanadihadiana.

Njaka A.

Partager sur: