Noraisin’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS) mpisolo toerana, Ramonjavelo Valéry, omaly, tetsy Mahamasina, ny ekipam-pirenena malagasy Makis sevens. Nanolotra ny teny fisaorana tamin’ny alalan’ny fanjakana ho azy ireo ity minisitra ity, noho ny vokatra tsara azon’ny Makis, nandritra ny fifanintsanana “Seven’s men Africa cup”, natao tany Maurice, ny herinandro lasa teo.
“Hirariana ny hahatafita lavitra ny Makis. Hiezaka ny hanohana azy ireo ny fanjakana amin’ny fiatrehina ny dingana manaraka”, hoy ny minisitra MJS mpisolo-toerana. Tsara marihina fa tonga nanatrika ity hetsika ity ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, sy ireo mpiara-miasa aminy.
Nambara tamin’io fotoana io, fa hisy ny fivoriana hiarahan’ny MJS sy ny Malagasy Rugby handinihina ny toe-bola, hanomanana ny “Circuits Mondiaux”. Tsara ny mampahafantatra fa hatao ny volana janoary ho avy izao, any Dubaï, ny andiany voalohan’ity fifanintsanana iraisam-pirenena ity.
Fitia Randria