SOMBIM-BAOVAO

Hiatrika ny «Tournoi international challenger
of pristina», ny Ankoay lahy, eo amin’ny taranja basikety. Fifaninanana ho an’olona telo miaraka, tanterahina any Kosovo, manomboka ny 20 jolay ho avy izao. Tokony ho ry zareo Frantsay no hanao izany saingy tsy afaka izy ireo noho ny fiatrehany ny lalao Olympika ka izao soloin’ny Ankoay toerana izao.
Ho fantatra anio, ny ekipa faharoa, hiatrika ny famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, “Euro 2024”. Hiady izany tapakila izany i Angleterre sy i Pays-Bas. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Dortmund. Nihaona farany ny ekipa roa tonta ny taona 2019, ka nivoaka ho mpandresy tamin’izany i Pays-Bas.
Hatao anio, ao amin’ny kianja MetLife Stadium ny manasa-dalana voalohany hiadiana ny ho tomponda­kan’i Amerika, “Copa America”, taranja baolina kitra. Hifa­nandrina amin’izany i Argentine sy i Canada ary rahampitso alakamisy ny fifandonan’i Uruguay sy i Colombie. Lalao hatao ao amin’ny kianja Bank of America Stadium.
Nisy fiovana ny dingana manokana, “ES”, eo amin’ny Rallye karakarain’ny klioba ASACM. Fihaonana hotanterahina ny sabotsy 13 sy ny alahady 14 jolay ho avy izao. Miainga eo amin’ny EPP Ambalamanga hatreny Ambohimarina ny “ES 4” sy ny “ES 7” ary ny “ES 10”. Mirefy 15, 15 km ny halavan’izay dingana manokana izay.

Partager sur: